IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
Ny fanirahana ny Fanahy Masina, izay nirahin’ny Ray amin’ny anaran’ ny Zanaka[100], ary nalefan’ny Zanaka “avy amin’ny Ray” (Jo 15,26), no manambara fa Andriamanitra tokana ihany miaraka amin’izy ireo ny Fanahy Masina. “Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy”[101].