IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
Laharana 266 amin’ny Katesizy
“Mifototra amin’izao ny finoana katôlika : mitsaoka an’Andriamanitra tokana ao amin’ny Trinite, ary mitsaoka ny Trinite ao amin’ Andriamanitra Tokana, tsy mampifangaro ireo Olona, tsy mampisaraka ny fisia-maha-izy : satria, miavaka ny maha-Olona ny Ray, miavaka ny maha-Olona ny Zanaka, miavaka ny maha-Olona ny Fanahy Masina ; kanefa amin’ny Ray, amin’ny Zanaka ary amin’ny Fanahy Masina dia tokana ny maha-Andriamanitra, mitovy ny voninahitra, miara-mandrakizay ny fiandrianana”[104].