Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
Laharana 785 amin’ny Katesizy
“Mandray anjara koa amin’ny asa maha-mpaminany an’i Kristy ny Vahoaka masin’Andriamanitra”. Manjary izany izy, indrindra amin’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’olombelona izay an’ny Vahoaka manontolo, lahika sy mpitondra isan’ambaratonga, rahefa “mifikitra maharitra amin’ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina”[209], sy mandalina fahalalana amin’izany ary mijoro vavolombelon’i Kristy eo anivon’izao tontolo izao.