II. Ny mpino lahika
Laharana 897 amin’ny Katesizy
“Ny antsoina hoe lahika eto, dia ny kristianina ankapobeny afa-tsy ireo mpikambana ao amin’ny filaharana masina sy ny fiainan-drelijiozy ankatoavin’ny Fiangonana, izany hoe ny kristianina, izay voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, tafiditra ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, natao ho mpandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an’i Kristy, ka misahana araka ny anjaran’izy ireo, ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao, ny fanirahana izay an’ny vahoaka kristianina manontolo”[428].