Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
861
Ny Eveka dimbin’ny apôstôly
”Mba hitohizan’ny fanirahana nankinina tamin’ny apôstôly aorian’ny fahafatesan’ izy ireo, dia nanome fahefana toy ny fara hafatra tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy ireo, mba hamita ny lahasan’izy ireo sy hanamafy ny tsanganasa …
→
-
862
Ny Eveka dimbin’ny apôstôly
”Tahaka ilay adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tenan’ny Tompo tamin’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy natokana hampitaina amin’ireo mpandimby azy, natao ho adidy aman’andraikitra maharitra, no mampaharitra toy izany koa ny adidy aman’andraikitra …
→
-
863
Ny apôstôlà
Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy maharitra ao anatin’ny fiombonam-pinoana amam-piainana hatramin’ny fiandohany, amin’ny alalan’ny dimbin’i Md Piera sy ny apôstôly. Apôstôlika ny Fiangonana manontolo noho izy “irahina” manerana an’izao tontolo izao …
→
-
864
Ny apôstôlà
“I Kristy nirahin’ny Ray no loharano sy fiandohan’ny apôstôlà rehetra ataon’ny Fiangonana”, koa miharihary fa ny fahavokaran’ny apôstôlà, na ny an’ny mpandraharaha voahosotra na ny an’ny lahika, dia miankina amin’ny fiombonan’izy ireo …
→
-
865
Ny apôstôlà
Iray , masina , katôlika ary apôstôlika ny Fiangonana, ao amin’ny maha-izy azy lalina sy farany, satria ao aminy no efa misy rahateo sy ho tanteraka amin’ny farandro “ ny Fanjakan’ny lanitra”, …
→
-
866
Ny apôstôlà
Iray ny Fiangonana : tsy manana afa-tsy Tompo iray izy, tsy miaiky afa-tsy finoana iray izy, tsy nateraka afa-tsy tamin’ny Batemy iray izy, tsy mamorona afa-tsy Vatana iray izy, velomin’ny Fanahy iray, …
→
-
867
Ny apôstôlà
Masina ny Fiangonana : ilay Andriamanitra masina indrindra no mpamorona azy; i Kristy, Vadiny, no nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy; ny Fanahin’ny fahamasinana no mamelon’aina azy. Na dia mbola misy mpanota …
→
-
868
Ny apôstôlà
Katôlika ny Fiangonana : mitory ny finoana manontolo izy ; mitondra ao aminy sy mizarazara ny hafenoan’ny fitaovam-pamonjena izy ; irahina ho amin’ny firenena rehetra izy ; manatona ny olombelona rehetra izy …
→
-
869
Ny apôstôlà
Apôstôlika ny Fiangonana : naorina eo ambonin’ny fototra maharitra izy : “ ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry ” [381] ; tsy mety rava izy [382] ; maharitra amin’ny fahamarinana amin’ny tsy …
→
-
870
Ny apôstôlà
“ Ny Fiangonana tokan’i Kristy izay ambarantsika ampahibemaso ao amin’ny Semboly fa iray, masina, katôlika ary apôstôlika (…), dia ao amin’ny Fiangonana katôlika no misy azy, tantanan’ny dimbin’i Piera sy ireo Eveka …
→
-
871
Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana
“Ny mpinon’i Kristy, noho izy ireo voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia ireo izay mitambatra ho Vahoakan’Andriamanitra, ary noho io antony io, mandray anjara araka ny fomban’izy ireo amin’ny raharaha maha-mpisorona, maha-mpaminany …
→
-
872
Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana
“Eo amin’ireo mpinon’i Kristy, noho ny fihavaozan’izy ireo ao amin’i Kristy, raha ny amin’ny fahamendrehana sy amin’ny asa fanao, dia misy fitoviana marina tokoa, izay amin’izany no ifarimbonan’izy rehetra amin’ny fandrafetana ny …
→
-
873
Paragrafy 4. Ny mpinon’i Kristy Ambaratongam-pitondrana, lahika, fanokanam-piainana
Ny tsy fitoviana izay sitraky ny Tompo mihitsy ny nametraka izany teo amin’ny rantsambatan’ny Vatany dia manampy amin’ny firaisany sy ny fanirahana azy. Satria, “maro ny andraiki-panompoana misy ao amin’ny Fiangonana, nefa …
→
-
874
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Izy Kristy ihany no loharano ipoiran’ny andraiki-panompoana ao amin’ny Fiangonana. Izy no nanorina azy, nanome azy fahefana sy fanirahana, torolalana sy tanjom-piafaràna : I Kristy Tompo, mba hiantoka ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny mpiandry …
→
-
875
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
“Atao ahoana no fino izay tsy mbola re aloha ? Atao ahoana no fandre raha tsy misy mpitoriteny ? Ary atao ahoana no fitory teny raha tsy misy irahina aloha ?” (Rôm …
→
-
876
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Ny fifamatorana anaty amin’ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana no endrika mampiavaka ny asa fanompoany . Satria, amin’ny fiankinana tanteraka amin’i Kristy izay manome iraka sy fahefana no tena mpanompon’i Kristy tokoa …
→
-
877
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Torak’izany, misy manana endrika fiombonam-piadidiana, ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Satria, hatrany am-piandohan’ny raharaham-pamonjeny i Jesoa Tompo no nanendry ny Roa ambin’ny folo lahy, “tsirin’i Israely Vaovao sady koa fiandohan’ny ambaratongam-pitondrana …
→
-
878
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Farany, misy manana endrika an’ny tsirairay , ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Raha miasa amin’ny fiombonana ny mpandraharahan’i Kristy, dia miasa lalandava koa amin’ny tsirairay. Ny isam-batan’olona dia voantso tsirairay hoe …
→
-
879
Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?
Koa ny andraiki-panompoana ara-tsakramenta ao amin’ny Fiangonana àry dia raharaha atao amin’ny anaran’i Kristy. Manana toetra an’ny tsirairay izy sady manana endrika fiombonam-piadidiana. Voamarina izany amin’ny fifamatorana misy eo amin’ny fiombonam-piadidiana maha-eveka …
→
-
880
Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa
I Kristy, tamin’ny nanendreny ny Roa ambin’ny folo, dia “nanangana azy ireo ho fiombonam-piadidiana, izany hoe ho vondrona maharitra, ary nametraka an’i Piera izay nofidiny teo anivon’izy ireo ho filohan’izy ireo” [394] …
→