Ny fiantsoana ny lahika

Laharana 898 amin’ny Katesizy

“Ny fiantsoana manokana ny lahika dia mifototra amin’ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra, indrindra amin’ny fiandraiketam-pitantanana ny zavatra ara-nofo eto tany izay alamin’izy ireo araka an’Andriamanitra (…). Anjaran’izy ireo, amin’ny fomba manokana, ny manazava sy ny mampitodika ireny zava-misy rehetra ara-nofo eto an-tany ireny izay ifandraisany lalina, hany ka hihatsara sy hiroborobo lalandava araka an’i Kristy izy ireny sy mba ho fiderana ny Mpahary sy Mpanavotra”[429].

Loharano ôfisialy ↗