Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa
Laharana 881 amin’ny Katesizy
Ny Tompo no nanao an’i Simôna irery, izay nomeny anarana hoe Piera, ho vatolampin’ny Fiangonany. Tamin’izany no nanomezany azy ny fanalahidy[396]; Izy no nametraka azy ho mpiandry ny andian’ondry manontolo[397]. “Kanefa ilay adidy aman’andraikitra hamehy sy hamaha izay nomena an’i Piera, dia nomena koa, tsy misy isalasalana, ny fiombonam-piadidian’ireo apôstôly miray amin’ny filohan’izy ireo”[398]. Io adidy aman’andraikitra maha-mpiandry ondry an’i Piera sy ireo apôstôly hafa io, dia anisan’ny fototra iorenan’ny Fiangonana. Tohizin’ny Eveka izany eo ambany fahefan’ny Papa amin’ny Fiangonana manontolo.