Amin’ny maha-voary fanahy fotsiny azy ireo, dia ananany ny saina aman-tsitrapo : zavaboary manana ny maha-izy azy manokana izy ireo[185] ary tsy mety maty[186]. Ihoaran’izy ireo amin’ny fahalavorariana ny voary rehetra hita maso. Ny famirapiratry ny voninahitr’izy ireo no manaporofo izany[187].