I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra”

Laharana 333 amin’ny Katesizy

Manomboka amin’ny Fahatongavana ho nofo ka hatramin’ny Fiakarana any an-danitra, mambomba ny fiainan’ny Teny tonga Nofo ny fitsaohan’ny anjely sy ny fanompoany. Nony “nampiditra ny Lahimatoany teo amin’izao tontolo izao Andriamanitra, dia hoy Izy : “Aoka hitsaoka Azy ny anjelin’ Andriamanitra rehetra” (Heb 1,6). Ny hira fiderana nataon’izy ireo tamin’ny fahaterahan’i Kristy dia tsy nitsahatra manako ao amin’ny hiram-pideran’ny Fiangonana : “Voninahitra ho an’Andriamanitra …” (Lk 2,14). Niaro ny fahazazan’i Jesoa izy ireo[199], nanompo Azy tany an’efitra[200], nankahery Azy nandritra ny fiadian’aina[201],  kanefa azon’izy ireo natao ny namonjy Azy teo an-tanan’ny fahavalo[202] toa an’i Israely fahiny[203].  Ary dia mbola ny anjely koa no “nitory ny Evanjely” (Lk 2,10) tamin’ny filazana ny Vaovao Mahafalin’ ny Fahatongavana ho nofo[204], sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona[205].  Ho eo izy ireo amin’ny fiverenan’i Kristy izay holazain’izy ireo[206], hiandraiki-draharaha  amin’ny fitsaràny[207].

Loharano ôfisialy ↗