Ny anjely eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana
Laharana 335 amin’ny Katesizy
Ny Fiangonana, amin’ny litorziany, dia miaraka amin’ny anjely mba hidera sy hankalaza an’Andriamanitra amin’ilay antsa manao hoe : Masina, masina, masina …(Vavaka Eokaristika) ; mitalaho ny fanampian’izy ireo izy (tahaka izany ao amin’ny In Paradisum deducant te angeli … fanao amin’ny litorzia ho an’ireo nodimandry[209], na koa ao amin’ny “Antsan’ny Kerobima” raketin’ ny litorzia bizantinina[210]), mankalaza manokana ny fahatsiarovana ny anjely sasany izy (Masina Misely, Masina Gabriely, Masina Rafaely, ny anjely mpiambina).