I Kristy “miaraka amin’ny anjeliny rehetra”
Laharana 331 amin’ny Katesizy
I Kristy no foiben’ny tontolon’ny anjely, izay Azy : “Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona hotronin’ny anjeliny rehetra …” (Mt 25,31). Azy izy ireo satria noarìna tamin’nyalalany sy ho Azy : “Satria tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita maso sy ny tsy hita maso : fiandrianana, fiamboniana, fanapahana, fahefana ; Taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra” (Kôl 1,16). Azy tanteraka tokoa izy ireo satria nataony ho mpitondra hafatra amin’ny fandaharam-pamonjeny : “Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra” nirahina hanao fanompoana ho an’ireo izay handova ny famonjena ?” (Heb 1,14).