Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2181
Ny adidy amin’ny andro alahady
Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny alahady no manorina sy mampanan-kery izay rehetra ataon’ny kristianina. Izany no mahatonga ny mpino ho voatery handray anjara amin’ny Eokaristia amin’ny andro voadidy hohamasinina, raha tsy fahafahana …
→
-
2182
Ny adidy amin’ny andro alahady
Ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana iombonana amin’ny Eokaristian’ny andro alahady no porofo ny maha-an’i Kristy sy ny maha-an’ny Fiangonany ny tenan’ny mpino, ary koa ny tsy fivadihana amin’Izy ireo. Amin’izany ny mpino …
→
-
2183
Ny adidy amin’ny andro alahady
“Raha tsy azo tanterahina ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia, noho ny tsy fisian’ny mpandraharaha voahosotra, na noho ny antony lehibe hafa rehetra, dia hafatrafarana mafy tokoa ny mpino handray anjara …
→
-
2184
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Noho Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony, tamin’ny andro fahafito” (Jen 2,2), dia ny asa sy ny fialan-tsasatra no mifandimbindimby mandrindra ny fiainan’ny olombelona. Ny fanorenana ny Andron’ny Tompo no manampy mba …
→
-
2185
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Ny mpino, mandritra ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia hifady ny filozohana amin’ny asa aman-draharaha na amin’ny fihetsiketsehana izay manampontsampona ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao amin’Andriamanitra, ny hafaliana …
→
-
2186
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Aoka ny kristianina izay afaka miala voly mba hahatsiaro ny havana aman-tsakaizan’izy ireo izay manana izany filana sy zo izany koa, saingy tsy afaka miala sasatra noho ny fahantrana sy ny fahoriana. …
→
-
2187
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Mitaky ezaka iombonana ny fankamasinana ny alahady sy ny andro fety. Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo. …
→
-
2188
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Amin’ny fanajana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana sy ny soa iombonan’ny rehetra, dia tokony hampahafantarin’ireo kristianina ny maha-andro tsy fiasana ara-dalàna ny alahady sy ny andro fetin’ny Fiangonana. Hanome oha-piainana fakan-tahaka mibaribary ho an’ny …
→
-
2189
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
“ Mitandrema ny andro sabata mba hankamasina Azy ” (Det 5,12) . “ Ho andro fialan-tsasatra tanteraka ny andro fahafito, voatokana ho an’ny Tompo ” (Eks 31,15).
→
-
2190
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Ny sabata izay nanamarika ny fahavitan’ny fahariana voalohany dia nosoloana ny alahady izay mampahatsiaro ny fahariana vaovao, nosantarana tamin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona.
→
-
2191
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Mankalaza ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ny Fiangonana amin’ny andro fahavalo, ka marina tokoa ny iantsoana an’izany hoe andron’ny Tompo, na alahady [108] .
→
-
2192
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
“ Ny alahady (…) dia tsy maintsy tandremana eo amin’ny Fiangonana manontolo ho andro fety lehibe indrindra voadidy hohamasinina ” [109] . “ Voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino, amin’ny alahady …
→
-
2193
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
. “ Amin’ny alahady na amin’ny andro hafa voadidy hohamasinina, ny mpino dia hifady ireo asa aman-draharaha samihafa, izay misakana ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy hatao amin’Andriamanitra, ny hafaliana sahaza ny andron’ny Tompo …
→
-
2194
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
.Ny nanaovana ny alahady dia ny hanampy ny “ rehetra hanana fotoam-pialan-tsasatra sy fotoam-pialam-boly ampy, izay ahafahany mikarakara ny fiainany ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-tsôsialy ary ara-pivavahana ” [112] .
→
-
2195
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Ny kristianina tsirairay dia tokony hisoroka ny fanerena ny hafa tsy amin’antony izay mety hanakana azy tsy hitandrina ny andron’ny Tompo.
→
-
2196
« Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao »
Ho valin’ny fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa ny amin’izay voalohany amin’ireo didy, dia hoy Izy : “Ny voalohany, dia izao : "Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanintsika no hany Tompo Tokana ; …
→
-
2197
Ny didy fahefatra
Ny didy fahefatra no manokatra ny takela-bato faharoa. Izy no manondro ny didin’ny fifankatiavana. Sitrak’Andriamanitra, manarakaraka ny Tenany, ny hanajantsika ny ray aman-drenintsika izay nahazoantsika ny fiainana sy nampita tamintsika ny fahalalana …
→
-
2198
Ny didy fahefatra
Manazava amin’ny fomba azo antoky ny adidy hotanterahina io didy io. Milaza ny didy manaraka rehetra izay mahakasika ny fanajana manokana ny aina, ny fanambadiana, ny soa amam-pananana eto an-tany, ny fiteny, …
→
-
2199
Ny didy fahefatra
Mivantana mazava amin’ny zanaka eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ ny ray sy ny renin’izy ireo ny didy fahefatra, satria io fifandraisana io no mahakasika ny daholobe indrindra. Mahakasika koa ny fifandraisam-pihavanana amin’ny …
→
-
2200
Ny didy fahefatra
Misy valisoany ny fitandremana ny didy fahefatra : “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao any amin’ny tany izay omen’ ny Tompo Andriamanitrao anao” (Eks 20,12) [3] …
→