Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1931 I. Ny fanajana ny olombelona Ny fanajana ny olombelona dia miainga amin’ny fanajana ny fitsipika fototra hoe : “Aoka ny tsirairay hihevitra ny namany ho toy ny "tenany", tsy asiana fanavahana, ka hatao voaloham-piheverana ny fiainany sy …
  2. 1932 I. Ny fanajana ny olombelona Ny adidy hahatonga ho namana ny hafa sy ny hanompo azy amim-pahavitrihana dia manjary maika kokoa indray rahefa ianjadiam-pahasahiranana izy io, na inona na inona izany fahasahiranana izany. “Isaky ny manao izany …
  3. 1933 I. Ny fanajana ny olombelona Mahakasika izany adidy izany koa, ireo tsy mitovy amintsika na amin’ny hevitra na amin’ny atao. Tonga hatramin’ny fitakiana ny famelana ny fahotana ny fampianaran’i Kristy. Mampivelatra ny didim-pitiavana izany, izay tsy inona …
  4. 1934 II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona Noho ny olombelona rehetra noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra, nomena fanahy manan-tsaina iray ihany, dia manana fomba aman-toetra iray ihany sy fiandohana iray ihany izy ireo. Noho izy ireo navotana tamin’ny soron’i Kristy, …
  5. 1935 II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra indrindra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany : Na inona na inona endri-panavakavahana mahakasika ny zo fototra maha-olona, na miorina …
  6. 1936 II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona Raha vao tonga teto an-tany ny olombelona, dia tsy hoe ananany avokoa izay rehetra mety ilainy amin’ny fivoaran’ny fiainany, ara-batana sy ara-panahy. Mila ny hafa izy. Maro ny faha-samy hafa miseho amin’ny …
  7. 1937 II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona Anisan’ny drafitr’asan’Andriamanitra ireo faha-samy hafa ireo, satria tiany ny handraisan’ny tsirairay izay ilainy avy amin’ny hafa, ary ireo izay manana “talenta” manokana, dia hampita ny soa avy amin’izany amin’ireo izay mila izany. …
  8. 1938 II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona Misy koa ny t sy fitoviana tsy ara-drariny izay mahavoa ny lehilahy sy ny vehivavy an-tapitrisany. Tena fanoherana an-kitsirano ny Evanjely izany : Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny maha-olona dia mitaky ny ahatongavan’ ny …
  9. 1939 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny firaisan-kina, antsoina koa hoe “fihavanana” na “fifankatiavan’ny mpiara-monina”, dia takìn’ny fifankatiavana mivantana toy ny mpiray tam-po amin’ny maha-olombelona sy maha-kristianina [47] : Ny hadisoana, “izay mihanaka tokoa amin’izao andro izao”, dia …
  10. 1940 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny voalohany isehoan’ny firaisan-kina dia eo amin’ny fitsinjarana ny soa sy ny karama amin’ny asa. Mitaky ezaka koa izany, ho amin’ny fandaminana ny fiaraha-monina ara-drariny kokoa, izay hampihena tsikelikely kokoa ireo fifanolanana, …
  11. 1941 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Tsy mety ho voavaha afa-tsy amin’ny fanampiana rehetra miendrika firaisan-kina ny olana ara-tsôsialy sy ara-toe-karena : firaisan-kinan’ny mahantra amin’izy samy izy, ny mpanankarena sy ny mahantra, ny mpiasa samy mpiasa, ny mpampiasa …
  12. 1942 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny hasin’ny firaisan-kina dia ambony lavitra noho ny harena ara-pitaovana. Ny Fiangonana, amin’ny fampielezana ny harem-panahy avy amin’ny finoana, dia mamampy avy amin’izany koa ny fampandrosoana ny harena ara-batana, izay amin’izany izy …
  13. 1943 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo.
  14. 1944 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny fanajana olona dia ny mihevitra ny hafa ho “ toy ny tena mihitsy ” . Mitaky ny fanajana ny zo fototra izay avy amin’ny fahamendrehana anaty eo amin’ny olona izany.
  15. 1945 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany.
  16. 1946 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny faha-samy hafa eo amin’ny samy olombelona rehetra dia anisan’ny fandaharan’Andriamanitra izay mila antsika hifanampy sy hifanohana. Tokony hanentana ny fifankatiavana ny faha-samy hafa.
  17. 1947 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olombelona dia mitaky ezaka mba hampihena ny tsy fitoviana mihoa-pampana ara-piaraha-monina sy ara-toe-karena. Manosika ho amin’ny fanafoanana ny tsy fitoviana vokatry ny tsy an-drariny izany fitoviam-pahamendrehana izany.
  18. 1948 III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona Ny firaisan-kina dia herim-panahy ambony tokoa maha-kristianina. Izy no manatanteraka ny fifampizaràna ny harena ara-panahy mihoatra kokoa noho ny harena ara-pitaovana.
  19. 1949 Ny famonjen’Andriamanitra : ny lalàna sy ny fahasoavana Ny olombelona, noho izy voantso ho amin’ny hasambarana, saingy voaratran’ny fahotana, dia mila ny famonjen’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy no andraisany an’io famonjen’Andriamanitra io, amin’ny alalan’ny lalàna izay mitari-dalana azy sy amin’ny fahasoavana …
  20. 1950 Ny lalàna môraly Tsanganasan’ny Fahendren’Andriamanitra ny lalàna môraly. Amin’ny hevitra ara-baiboly, dia azo faritana hoe : fampianaran’ny ray, fahaizan’ Andriamanitra manabe, ny lalàna môraly. Mibaiko ny olona izy, hanaraka ny lalana sy ny fitsipiky ny …