Ny famonjen’Andriamanitra : ny lalàna sy ny fahasoavana
Laharana 1949 amin’ny Katesizy
Ny olombelona, noho izy voantso ho amin’ny hasambarana, saingy voaratran’ny fahotana, dia mila ny famonjen’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy no andraisany an’io famonjen’Andriamanitra io, amin’ny alalan’ny lalàna izay mitari-dalana azy sy amin’ny fahasoavana izay manohana azy :
Miasà ianareo amin-tahotra sy hovitra, mba hahatomombana ny famonjena anareo : fa eo rahateo Andriamanitra izay manao indray miaraka, ny hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka koa izay mifanaraka amin’ny fandaharam-pitiavany (Filip 2,12-13).