I. Ny fanajana ny olombelona

Laharana 1933 amin’ny Katesizy

Mahakasika izany adidy izany koa, ireo tsy mitovy amintsika na amin’ny hevitra na amin’ny atao. Tonga hatramin’ny fitakiana ny famelana ny fahotana ny fampianaran’i Kristy. Mampivelatra ny didim-pitiavana izany, izay tsy inona fa ny an’ny Lalàna vaovao, dia ny fitiavana ny fahavalo rehetra[41]. Ny fanafahana araka ny toe-panahin’ny Evanjely dia tsy azo ampiarahana amin’ny fankahalana ny fahavalo amin’ny maha-olona azy, fa amin’ny fankahalana ny ratsy izay ataony amin’ny maha-fahavalo azy.

Loharano ôfisialy ↗