III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona
Laharana 1939 amin’ny Katesizy
Ny firaisan-kina, antsoina koa hoe “fihavanana” na “fifankatiavan’ny mpiara-monina”, dia takìn’ny fifankatiavana mivantana toy ny mpiray tam-po amin’ny maha-olombelona sy maha-kristianina[47] :
Ny hadisoana, “izay mihanaka tokoa amin’izao andro izao”, dia ny fanadinoana io lalànan’ny firaisan-kinan’ny olombelona sy ny fifankatiavana io, izay atoro sy didian’ny fototra iray niandohana sy ny toetra maha-olona misaina ny olombelona rehetra, na inona na inona firenena misy azy ireo, ary koa atoro sy didian’ny sorom-panavotana natolotr’i Jesoa-Kristy teo amin’ny ôtelin’ny Hazofijaliana tamin’ny Rainy any an-danitra, ho soa hoan’ny olombelona mpanota” [48].