Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1286
I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ao amin’ny Testamenta Taloha , nambaran’ireo mpaminany fa ny Fanahin’ny Tompo dia hitoetra ao amin’ilay Mesia antenaina [95] , ho amin’ny fanirahana maha-mpamonjy Azy [96] . Ny fidinan’ny Fanahy Masina teo ambonin’i …
→
-
1287
I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Ary izany hafenoan’ny Fanahy izany dia tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ny Mesia irery ihany, fa tokony hampitaina amin’ny Vahoakan’ny Mesia manontolo [98] . Imbetsaka i Kristy no nampanantena an’io firotsahan’ny Fanahy …
→
-
1288
I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
“Ny apôstôly, hatramin’io fotoana io, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Kristy, dia nampita tamin’ireo zazavao amin’ny finoana, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ny fanomezana ny Fanahy izay mitondra any amin’ny fanaperan’ny fahasoavan’ny Batemy [104] …
→
-
1289
I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Tsy ela taty aoriana, mba hahafantarana tsaratsara kokoa ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia nampiana fanosorana diloilo manitra (chrême) ny fametrahan-tanana. Manazava ny anarana hoe “kristianina” ity fanosorana ity, izay midika hoe …
→
-
1290
Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana
Tamin’ny taonjato voalohandohany, mazàna ny Fankaherezana dia natambatra tamin’ny fankalazana tokana niaraka tamin’ny Batemy, ka nahatonga miaraka amin’ity ho “sakramenta roa sosona” [107] , araka ny fomba fitenin’i Md Cyprien. Anisan’ireo antony …
→
-
1291
Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana
Nisy fomba iray nahazatra tao amin’ny Fiangonan’i Rôma nanamora ny fiitaran’ny fanao tandrefana, noho ny fanosorana indroa miantoana amin’ny diloilo masina aorian’ny Batemy : izay efa nataon’ny Pretra tamin’ilay zazavao amin’ny finoana, …
→
-
1292
Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana
Ny fanaon’ny Fiangonana Tatsinanana dia manamafy bebe kokoa ny mahairay ny firosoana ho kristianina. Ny an’ny Fiangonana latinina kosa, dia mampiseho mazavazava kokoa ny fiombonan’ilay vao tonga kristianina amin’ny Evekany, izay antoka …
→
-
1293
II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana
Ao amin’ny fombam-pivavahan’ity sakramenta ity, tsara ny mamakafaka ny famantarana amin’ny fanosorana sy izay ambaran’ny fanosorana sy araikiny : ny fitomboka ara-panahy. Ny fanosorana , ao amin’ny fanehoana an’ohatra ara-baiboly sy fahagola, …
→
-
1294
II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana
Hita eo amin’ny fiainana ara-tsakramenta daholo ny dikan’ireo fanosorana diloilo rehetra ireo. Ny fanosorana alohan’ny Batemy amin’ny menaky ny katekomena dia midika fanadiovana sy fampatanjahana; ny fanosorana ny marary dia maneho fanasitranana …
→
-
1295
II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana
Amin’io fanosorana io no andraisan’ilay ankaherezina “ny marika”, ny fitomboky ny Fanahy Masina. Ny fitomboka dia fanehoana an’ohatra ny olona [114] , famantarana ny fahefany [115] , ny maha-tompon’ny zavatra iray azy …
→
-
1296
II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana
Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manambara fa voamariky ny fitomboky ny Rainy Izy [120] . Ny kristianina koa dia nasiana fitomboka : “Ilay izay manamafy anay miaraka aminareo ao amin’i Kristy sy …
→
-
1297
Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana
Ny fotoan-dehibe izay mialoha ny fankalazana ny Fankaherezana, nefa raha ny marina, anisany ihany, dia ny fanamasinana ny diloilo . Ny Eveka no manamasina ny diloilo ho an’ny diôseziny manontolo, ny Alakamisy …
→
-
1298
Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana
Rahefa ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, toy ny fanao amin’ny fombam-pivavahana rômanina, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy sy ny fiekem-pinoan’ireo mpiomana handray ny Fankaherezana no anombohana ny litorzian’ny sakramenta. …
→
-
1299
Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana
Amin’ny fombam-pivavahana rômanina, manatsotra ny tanana eo amin’ ireo rehetra atao Fankaherezana ny Eveka, fihetsika izay, hatramin’ny andron’ny apôstôly no famantarana ny fanomezana ny Fanahy. Ary hoy ny Eveka mitalaho ny firotsahan’ny …
→
-
1300
Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana
Manaraka izany ny votoatin’ny fombam-pivavahan ’ity sakramenta ity Amin’ny fombam-pivavahana latinina, “ny sakramenta Fankaherezana dia omena amin’ny alalan’ny fanosorana diloilo masina eo amin’ny handrina, atao amin’ny fametrahan-tanana, sy amin’ny alalan’ireto teny ireto …
→
-
1301
Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana
Ny oroka fanomezam-piadanana izay mamarana ny fombam-pivavahan’ ity sakramenta ity dia mampahafantatra sy maneho ny fiombonan’ny Fiangonana amin’ny Eveka sy amin’ny mpino rehetra [129] .
→
-
1302
III. Ny vokatry ny Fankaherezana
Hita amin’ny fankalazana fa ny vokatry ny sakramenta Fankaherezana dia ny firotsahan’ny Fanahy Masina manokana, tahaka ny nanomezana izany fahiny tamin’ny apôstôly ny andron’ny Pantekôty.
→
-
1303
III. Ny vokatry ny Fankaherezana
Araka izany, ny Fankaherezana no mampitombo sy mandalina ny fahasoavan’ny Batemy : - izy no mampiorim-paka antsika lalindalina kokoa amin’ny maha-zanak’Andriamanitra izay mahatonga antsika hiantso hoe : “ Aba , Ray” (Rôm …
→
-
1304
III. Ny vokatry ny Fankaherezana
Tahaka ny Batemy izay ny Fankaherezana no manatomombana azy, dia indray mandeha ihany no omena ny Fankaherezana. Satria, mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Fankaherezana, “marika” [133] , …
→
-
1305
III. Ny vokatry ny Fankaherezana
Ny “marika” no mandavorary ny fisoronana iombonan’ny mpino, noraisina tamin’ny Batemy, ary “ny vita Fankaherezana dia mandray ny hery hanambaràna ampahibemaso ny finoana an’i Kristy, sy mba hizakana adidy aman’andraikitra ( quasi …
→