II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana

Laharana 1296 amin’ny Katesizy

Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manambara fa voamariky ny fitomboky ny Rainy Izy[120]. Ny kristianina koa dia nasiana fitomboka : “Ilay izay manamafy anay miaraka aminareo ao amin’i Kristy sy izay nanome anay ny fanosorana, dia Andriamanitra izany, Izy no nanisy ny fitombokany tao amintsika, ary nametraka ao am-pontsika ny antoky ny Fanahy” (2 Kôr 1,21-22)[121]. Io fitomboky ny Fanahy Masina io no manamarika ny maha-an’i Kristy manontolo, ny fametrahana amin’ny fanompoany mandrakizay, nefa koa ny fampanantenana ny fiarovan’Andriamanitra amin’ny fitsapan-dehibe any amin’ny andro farany any[122].

Loharano ôfisialy ↗