III. Ny vokatry ny Fankaherezana

Laharana 1304 amin’ny Katesizy

Tahaka ny Batemy izay ny Fankaherezana no manatomombana azy, dia indray mandeha ihany no omena ny Fankaherezana. Satria, mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Fankaherezana, “marika”[133], izay famantarana nanamarihan’i Jesoa-Kristy ny kristianina iray amin’ny fitombokan’ny Fanahiny, amin’ny fanafiana azy ny hery avy any ambony mba hijoroany ho vavolombelona[134].

Loharano ôfisialy ↗