I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena

Laharana 1288 amin’ny Katesizy

“Ny apôstôly, hatramin’io fotoana io, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Kristy, dia nampita tamin’ireo zazavao amin’ny finoana, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ny fanomezana ny Fanahy izay mitondra any amin’ny fanaperan’ny fahasoavan’ny Batemy[104]. Izany no antony anomezan’ ny Taratasy ho an’ny Hebrio anjara toerana ny fitambaram-pampianarana momba ny Batemy ary koa momba ny fametrahan-tanana, ho anisan’ireo singafototry ny fampianarana voalohany ho an’ny kristianina[105]. Ara-drariny ny fankatoavan’ny lovam-pampianarana katôlika fa ny fametrahan-tanana no fiandohan’ny sakramentan’ny Fankaherezana izay mampaharitra, amin’ ny fomba toy izany,  ao amin’ny Fiangonana, ny fahasoavana amin’ny Pantekôty”[106].

Loharano ôfisialy ↗