Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 121 Ny Testamenta Taloha Fizarana iray tsy azo esorina amin’ny Soratra Masina, ny Testamenta Taloha.Fitsilovana avy amin’Andriamanitra sy mitahiry soatoavina maharitra sady tsy miova ny boky rehetra ao [119] , satria tsy nofoanana na oviana na …
  2. 122 Ny Testamenta Taloha Noho izany, “mifototra indrindra amin’ny fanomanana ny fahatongavan’i Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao, ny fitantanam-pamonjena ao amin’ny Testamenta Taloha.” “Na dia mirakitra zavatra tsy lavorary sy vonjimaika aza” ireo bokin’ny Testamenta Taloha …
  3. 123 Ny Testamenta Taloha Manaja ny Testamenta Taloha ho Tenin’Andriamanitra tokoa ny kristianina. Manohitra mafy lalandava ny hevitra hanary ny Testamenta Taloha ny Fiangonana, araka ny fivaonam-pampianarana hoe : ny Testamenta Vaovao no nahatonga azy ho …
  4. 124 Ny Testamenta Vaovao “Miseho ao amin’ireo bokin’ny Testamenta Vaovao, ny Tenin’ Andriamanitra, izay heriny ho famonjena ny mpino rehetra, ary miharihary ao amin’ny fomba miavaka izany heriny izany” [121] . Ireo boky ireo no manolotra …
  5. 125 Ny Testamenta Vaovao Ny Evanjely no ivon’ny Soratra Masina rehetra “noho izy ireo manambatra ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran’ ny Teny tonga nofo, Mpamonjintsika” [123] .
  6. 126 Ny Testamenta Vaovao Azo avahana ho dingana telo ny niforonan’ireo Evanjely : 1. Ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa . Ny Fiangonana dia mitana mafy tsy azo hozongozonina fa ireo Evanjely efatra, “izay lazainy marina …
  7. 127 Ny Testamenta Vaovao Mitana toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely amin’ny endrika efatra, izay porofoin’ny fanajana omen’ny litorzia izany, sy ny hery manintona tsy manan-tsahala izay niasa tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny olomasina …
  8. 128 Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Ny Fiangonana, efa hatramin’ny andron’ny apôstôly [127] , ary tsy miova tao amin’ny Lovam-pampianarany, dia nanazava ny maha-tokana ny drafitr’ asan’Andriamanitra ao amin’ireo Testamenta anankiroa noho ny tandindona raketiny ( typologie ). …
  9. 129 Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Noho izany, mamaky ny Testamenta Taloha araka ny fahazavan’i Kristy maty sy ny nitsangan-ko velona ny kristianina. Izany vakiteny ara-tandindona izany no maneho ny votoaty tovozin-tsy ritra ao amin’ny Testamenta Taloha. Io …
  10. 130 Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Ny tandindona dia midika fahavitrihana ho amin’ny fahatanterahan’ny drafitr’asan’Andriamanitra, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra” (1 Kôr 15,28). Tahaka izany, ny fiantsoana ny patriarka sy ny Fialana tao Ejipta, ohatra, dia …
  11. 131 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana “Lehibe tokoa ny hery sy ny tanjaka izay raketin’ny Tenin’Andriamanitra, ka mahatonga izany ho fiankinana sy hery ho an’ny Fiangonana, ary ho an’ny zanaky ny Fiangonana, mahatonga ho herin’ny finoan’izy ireo, ho …
  12. 132 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana “Noho izany, ho an’ny teôlôjia masina, aoka ny fianarana Soratra Masina no ho aina mamelona azy. Aoka koa mba hahita ny sakafo mahasalama sy ny hery mahasoa ao amin’io Tenin’ny Soratra Masina …
  13. 133 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana “Mampirisika mafy sy manokana ny kristianina rehetra ny Fiangonana (…), mba hahazo, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masin’ Andriamanitra, “ny fahalalana ambony momba an’i Jesoa-Kristy” (Filip 3,8). "Satria, ny tsy mahalala …
  14. 134 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana “ Boky iray ihany ny Soratra Masina manontolo, ary i Kristy io boky iray ihany io, " satria miteny momba an’i Kristy avokoa ny Soratra Masina manontolo, ary tanteraka ao amin’i Kristy …
  15. 135 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana “ Ny Soratra Masina no mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, ary noho izy azo avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia Tenin’Andriamanitra marina tokoa ” [136] .
  16. 136 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina, tamin’ny fitsilovany ny sain’olombelona mpanoratra izany ; niasa tao amin’izy ireo sy tamin’ ny alalan’izy ireo Izy. Araka izany, Izy no manome antoka fa ny soratr’izy …
  17. 137 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana Ny fivoasana ny Soratra avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy afantoka indrindra aloha, amin’izay tian’Andriamanitra hambara tamin’ny alalan’ny mpanoratra masina ny amin’ny famonjena antsika. “ Izay avy amin’ny Fanahy, dia …
  18. 138 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana Ny Fiangonana dia mandray sy manaja ho avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina ny boky 46 ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny boky 27 ao amin’ny Testamenta Vaovao.
  19. 139 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana Ny Evanjely efatra no mitàna ny ivo toerana, satria i Kristy Jesoa no foibeny.
  20. 140 V. Ny Soratra Masina ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana Ny maha-tokana ireo Testamenta anankiroa dia avy amin’ny maha-tokana ny fandaharan’Andriamanitra sy ny Fanambaràny. Ny Testamenta Taloha no manomana ny Vaovao, ary ny Vaovao no manatanteraka ny Taloha; mifanazava izy roa, ary …