Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1261 VI. Ny ilana ny Batemy Raha ny amin’ny zaza maty tsy vita batemy , tsy misy azon’ny Fiangonana atao afa-tsy ny manankina azy ireo amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra, tahaka ny anaovany izany amin’ny fombam-pivavahana fandevenana azy ireo. Satria, …
  2. 1262 VII. Ny fahasoavana amin’ny Batemy Ny vokatra samihafa amin’ny Batemy dia ampahafantarina amin’ny alalan’ireo singafototry ny zavatra tsapan’ny fandrenesana amin’ny fombam-pivavahana ara-tsakramenta. Ny fandentehana ao anaty rano dia ilazana ny fanehoana an’ohatra ny fahafatesana sy ny fanadiovana, …
  3. 1263 Ho famelana ny fahotana … Amin’ny alalan’ny Batemy, voavela avokoa ny fahotana rehetra , ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’ olona ary koa ny sazy rehetra vokatry ny fahotana [65] . Satria, eo …
  4. 1264 Ho famelana ny fahotana … Mitoetra ihany anefa, ao amin’ny vita batemy, ny vokatra misy fetra sasantsasany tamin’ny fahotana, toy ny fijaliana izany, ny aretina, ny fahafatesana, na ny faharefo zary raiki-tampisaka amin’ny fiainana, toy ny fahalemen-toetra, …
  5. 1265 “Zavaboary vaovao” Tsy hoe manadio fotsiny ny fahotana rehetra ny Batemy, fa mahatonga koa ny zazavao amin’ny finoana ho “zavaboary vaovao” (2 Kôr 5,17), ho zanaka atsangan’Andriamanitra [67] izay tonga mpandray anjara amin’ny fomba …
  6. 1266 “Zavaboary vaovao” Omen’ny Trinite Masina Indrindra an’ilay vita batemy ny fahasoavana mahamasina , ny fahasoavam- panamarinana izay : - mahatonga azy ho afaka mino an’Andriamanitra, manantena Azy ary tia Azy amin’ny alalan’ny herim-panahy avy …
  7. 1267 Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy Mahatonga antsika ho rantsambatan’ny Vatan’i Kristy ny Batemy. “Koa noho izany, (…) moa va tsy mifampirantsambatana avokoa isika rehetra?” (Efez 4,25). Mampikambana amin’ ny Fiangonana ny Batemy. Avy ao amin’ny dobo fanaovana …
  8. 1268 Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy Manjary “vato velona” mba ho “fananganana ny tempoly fanahy, ho mpisorona masina” (1 Pi 2,5) ireo vita batemy. Amin’ny alalan’ny Batemy no mandray anjaran’ny maha-mpisorona an’i Kristy, amin’ny fanirahana maha-mpaminany sy maha-mpanjaka …
  9. 1269 Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy Ny vita batemy, noho izy manjary rantsambatan’ny Fiangonana, dia tsy azy intsony ny tenany [72] , fa an’Ilay izay maty sy nitsangan-ko velona ho antsika [73] . Koa noho izany, voantso izy …
  10. 1270 Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy “Noho izy ireo manjary zanak’Andriamanitra tamin’ny fiterahana indray [tamin’ny Batemy], (ireo vita batemy) dia tsy maintsy manambara eo anatrehan’ny olona, ny finoana izay noraisiny avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fiangonana” [79] , ary …
  11. 1271 Ny fatotra ara-tsakramenta mahairay ny kristianina Ny Batemy no iorenan’ny fototry ny fiombonana eo amin’ny kristianina rehetra, ary koa amin’ireo izay tsy mbola miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika : “Satria, ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray …
  12. 1272 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Mitovy endrika amin’i Kristy [83] ny vita batemy, noho izy voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy. Mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina ( character ) ao amin’ny kristianina ny Batemy, avy amin’ny maha-an’i …
  13. 1273 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Noho ireo mpino nakamban’ny Batemy amin’ny Fiangonana, dia mahazo marika ara-tsakramenta izy ireo, izay manokana azy ireo ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina [85] . Ny fitomboky ny Batemy no mahatonga ny kristianina ho …
  14. 1274 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Ny “ fitomboky ny Tompo ” (“ Dominicus character ” [87] ) dia ny fitomboka izay nanamarihan’ny Fanahy Masina antsika “ho amin’ny andron’ny fanavotana” (Efez 4,30) [88] . “Ny Batemy, araka izany, …
  15. 1275 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … . Tanteraka amin’ny fitambaran’ny sakramenta telo ny firosoana ho kristianina : ny Batemy izay fiantombohan’ny fiainam-baovao ; ny Fankaherezana izay fanamafisana orina an’izany ; ary ny Eokaristia izay mamelona ny mpianatra amin’ny …
  16. 1276 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … “ Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina ny zavatra rehetra …
  17. 1277 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Ny Batemy no iorenan’ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Araka ny sitrapon’ny Tompo, ilaina amin’ny famonjena ny Batemy, ilaina tahaka ny Fiangonana ihany, izay ao aminy no idirana amin’ny Batemy.
  18. 1278 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny Batemy dia ny manatsoboka ao anaty rano ilay mpangataka batemy na mandraraka ny rano eo amin’ny lohany sady manonona ny anaran’ny Trinite Masina Indrindra, izany hoe …
  19. 1279 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Ny vokatry ny Batemy na fahasoavan’ny Batemy dia tena fisiana sarobidy tokoa izay ahazoana an’ ireto : ny famelana ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’olona ; ny fahaterahana …
  20. 1280 Marika ara-panahy tsy maty vonoina … Mampisy famantarana ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Batemy, marika izay manokana ny vita batemy ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina. Noho io marika io dia tsy azo averina intsony ny Batemy, …