Ho famelana ny fahotana …
Laharana 1264 amin’ny Katesizy
Mitoetra ihany anefa, ao amin’ny vita batemy, ny vokatra misy fetra sasantsasany tamin’ny fahotana, toy ny fijaliana izany, ny aretina, ny fahafatesana, na ny faharefo zary raiki-tampisaka amin’ny fiainana, toy ny fahalemen-toetra, sns., tahaka izany koa ny fironana amin’ny fahotana izay antsoin’ny Lovam-pampianarana hoe fanirian-dratsy, na, ara-panoharana, “foibem-pahotana” (fomes peccati). “Ny fanirian-dratsy, na tavela ho an’ny ady ataontsika aza, dia tsy afaka hanimba ireo izay tsy mankato izany, amin’ny fanoherana azy amin-kerim-po amin’ny alalan’ ny fahasoavan’i Kristy. Fanampin’izany, “izay hiady araka ny fitsipika no hosatroham-boninahitra (2 Tim 2,5) ”[66].