Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy
Laharana 1270 amin’ny Katesizy
“Noho izy ireo manjary zanak’Andriamanitra tamin’ny fiterahana indray [tamin’ny Batemy], (ireo vita batemy) dia tsy maintsy manambara eo anatrehan’ny olona, ny finoana izay noraisiny avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fiangonana”[79], ary mandray anjara amin’ny raharaha maha-apôstôly sy maha-misiônera ny Vahoakan’Andriamanitra[80].