Marika ara-panahy tsy maty vonoina …
Laharana 1273 amin’ny Katesizy
Noho ireo mpino nakamban’ny Batemy amin’ny Fiangonana, dia mahazo marika ara-tsakramenta izy ireo, izay manokana azy ireo ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina[85]. Ny fitomboky ny Batemy no mahatonga ny kristianina ho afaka sy hirotsaka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara maharitra amin’ny litorzia masin’ny Fiangonana, sy hampiasa ny maha-mpisorona azy ireo avy amin’ny Batemy, amin’ny fanehoam-piainana masina sy fifankatiavana mahomby[86].