Marika ara-panahy tsy maty vonoina …
Laharana 1272 amin’ny Katesizy
Mitovy endrika amin’i Kristy[83] ny vita batemy, noho izy voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy. Mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina (character) ao amin’ny kristianina ny Batemy, avy amin’ny maha-an’i Kristy azy. Tsy voafafan’ny fahotana na oviana na oviana io marika io, na dia ny fahotana aza no manakana ny Batemy tsy hitondra ny vokatry ny famonjena[84]. Araka izany, izay vita batemy dia tsy azo atao intsony.