Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
241
Ny Ray nambaran’ny Zanaka
Izany no antony ieken’ny apôstôly an’i Jesoa ho “ilay Teny izay tao amin’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany ary Andriamanitra mihitsy” (Jo 1,1), ho “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15), ho “ilay famirapiratan’ny …
→
-
242
Ny Ray nambaran’ny Zanaka
Eo am-panarahana azy ireo, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia niaiky ny Fiangonana, tamin’ny taona 325, tao amin’ny Kônsily ekiomenika voalohan’i Nicée, fa “iray fombam-pisia-maha-izy” [60] amin’ny Ray ny Zanaka, izany hoe Andriamanitra …
→
-
243
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Talohan’ny Pakany, nambaran’i Jesoa ny fanirahana ny “Parakleto hafa” (Mpiaro), dia ny Fanahy Masina izany. Efa niasa Izy hatramin’ny fahariana an’izao tontolo izao [62] , “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” [63] fahiny, ary …
→
-
244
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Ny fiandohan’ny Fanahy Masina hatramin’ny mandrakizay, dia voaseho amin’ny fanirahana Azy teto an-tany. Ny Fanahy Masina izay nirahin’ny Ray tamin’ny anaran’ny Zanaka tao amin’ny apôstôly sy ny Fiangonana, dia nirahin’ny Tenan’Izy Zanaka …
→
-
245
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Ny finoana apôstôlika momba ny Fanahy Masina, dia nankatoavin’ny Kônsily ekiomenika faharoa tamin’ny taona 381, tao Constantinople : “Mino ny Fanahy Masina isika, izay Tompo sy manome ny aina; avy amin’ny Ray …
→
-
246
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Miaiky ny lovam-pampianarana latinina momba ny Izaho mino, fa “avy amin’ny Ray sy avy amin’ny Zanaka ( filioque )” ny Fanahy Masina. Nabaribarin’ny Kônsily tao Florence, tamin’ny taona 1438, fa : “Ny …
→
-
247
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Ny fanamafisana marina ny hoe : “ avy amin’ny Zanaka ny Fanahy Masina ” ( filioque ), dia tsy hita ao amin’ny semboly nambara tamin’ny taona 381 tao Constantinople. Kanefa raha zohina …
→
-
248
Ny Ray sy ny Zanaka nambaran’ny Fanahy Masina
Ny lovam-pampianarana tatsinanana dia maneho avy hatrany ny toetra manokana maha-voaloham-piandohana ny Ray raha oharina amin’ny Fanahy. Ny lovam-pampianarana tatsinanana, amin’ny fiekena hoe : “avy amin’ny Ray” (Jo 15,26) ny Fanahy Masina, …
→
-
249
Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Ny marina nambara momba ny Trinite Masina dia hatrany am-piandohana no efa tao amin’ny fakan’ny finoana velon’ny Fiangonana, fa indrindra tamin’ny alalan’ny Batemy. Hita ao amin’ny fitsipi-pinoan’ny Batemy ny fitenim-panehoana izany, voarafitra …
→
-
250
Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Nandritra ny taonjato voalohandohany, notadiavin’ny Fiangonana izay fomba filaza amin’ny rijan-teny mazavazava kokoa ny finoany mikasika ny Trinite, mba handalinana ny fahaizany manokana momba ny finoana sady mba hiarovana izany amin’ny hadisoan-kevitra …
→
-
251
Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Mba ho fandrafetana ny rijan-teny amin’ny teny finoana momba ny Trinite, dia tsy maintsy nanitatra fiteny azy manokana tamin’ny alalan’ny fahalalana avy amin’ny filôzôfia ny Fiangonana : “fisia-maha-izy”, “olona” na “ny fisia-maha-olona”, …
→
-
252
Ny fiforonan’ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Ampiasain’ny Fiangonana ny teny hoe : “fisia-maha-izy” (antsoina indraindray koa hoe : “foto-pisiana”, na “fomba aman-toetra”), mba hilazana ny fisian-tenan’Andriamanitra amin’ny maha-tokana Azy ; ny teny hoe : “olona” na “fisia-maha-olona”, mba …
→
-
253
Ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Tokana ny Trinite . Tsy miaiky ny fisiana andriamanitra telo isika, fa Andriamanitra tokana ao amin’ny Olona telo : ny “Trinite Masina iray fombam-pisia-maha-izy” [80] . Tsy ifampizaran’ireo Olona-Andriamanitra ny maha-Andriamanitra tokana, …
→
-
254
Ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Tena miavaka tokoa amin’Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra . “Tokana Andriamanitra nefa tsy manirery [83] .” “Ray”, “Zanaka”, “Fanahy Masina” : tsy anarana ilazana fotsiny ny fombafomban’ ny …
→
-
255
Ny teny finoana momba ny Trinite Masina
Mifandray amin’Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra . Ny fiavahana misy amin’ireo Olona tsirairay eo amin’Izy ireo samy Izy ireo dia miorina irery ihany amin’ireo fifandraisana izay mampifandray ny …
→
-
256
Ny teny finoana momba ny Trinite Masina
I Md Grégoire de Nazianze, izay antsoina koa hoe “ilay Teôlôjianina”, dia nanankina izao famintinana momba ny finoana ny Trinite Masina izao tamin’ireo katekomena tao Constantinople : Alohan’ny zavatra rehetra, tahirizo tsara …
→
-
257
IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
“Ry Trinite fahazavana sambatra ! Ry Tokana hatrany am-boalohany” [90] . Hasambarana mandrakizay Andriamanitra, fiainana tsy manam-pahafatesana, fahazavana tsy mihena. Fitiavana Andriamanitra : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. An-kalalahana no itiavan’Andriamanitra hampitana …
→
-
258
IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
Tsanganasa iombonan’ireo Olona telo-Andriamanitra ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo. Satria tahaka ny tsy ananan’ny Trinite afa-tsy fomba aman-toetra tokana sy mitovy no tsy ananany afa-tsy asa tokana sy mitovy koa [92] . “Tsy fototra …
→
-
259
IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
Ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, amin’ny maha-asa iombonana sady maha-asan’ny tsirairay azy, no mampahalala ny maha-izy manokana an’ireo Olona-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra tokan’izy ireo. Koa, fiombonana amin’ny tsirairay amin’ireo Olona-Andriamanitra ny fiainana manontolo …
→
-
260
IV. Ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny fanirahana sahanin’ ny Trinite Masina
Ny tanjom-piafaràn’ny fitantanam-pamonjen’Andriamanitra manontolo, dia ny fidiran’ny voary rehetra ao amin’ny firaisana lavorarin’ny Trinite Sambatra [98] . Kanefa manomboka izao ankehitriny izao isika no antsoina mba honenan’ny Trinite Masina Indrindra : “Raha …
→