Finoana
Laharana 49
- 142 Ny valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra Amin’ny alalan’ny Fanambaràny , izay “avy amin’ny haben’ny fitiavany, no miteny amin’ny olombelona toy ny sakaizany Andriamanitra tsy hita maso, sy miresaka amin’izy ireo mba hanasa azy ireo hiditra ao amin’ny fiombonana …
- 143 Ny valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra Amin’ny alalan’ny finoana ny olombelona no mampanaiky tanteraka ny sainy sy ny sitrapony amin’Andriamanitra. Amin’ny tenany manontolo no anehoan’ny olombelona ny fankasitrahany an’Andriamanitra Mpanambara [142] . “Fanekem-pinoana” no iantsoan’ny Soratra Masina izany …
- 144 I. Ny fanekena amim-pinoana Ny manaiky ( ob-audire ) amin’ny finoana, dia ny mankato an-kalalahana ny teny nohenoina, satria ny fahamarinany dia iantohan’Andriamanitra, ilay Fahamarinana rahateo ihany. I Abrahama no môdely asehon’ny Soratra Masina antsika amin’izany …
- 145 Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra” Ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ao amin’ny fiderana lehibe ny finoan’ireo razana, dia manantitrantitra indrindra ny amin’ny finoan’i Abrahama : “Ny finoana no naneken’ i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any …
- 146 Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra” Tanterak’i Abrahama araka izany ny famaritana ny atao hoe finoana lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio : “Ny finoana no antoky ny soa izay antenaina, porofon’ny zava-misy izay tsy hita maso” (Heb 11,1). …
- 147 Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra” Maro tsy tambo isaina ny porofo ao amin’ny Testamenta Taloha, ny amin’ izany finoana izany. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manao antso avo ny fiderana ny finoana soa fianatra niveloman’ny Ntaolo, …
- 148 Maria – “Sambatra ilay nino” I Maria Virjiny no nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary indrindra ny fanekem-pinoana. Tamim-pinoana no nandraisany ny filazana sy ny fampanantenana nolazain’ny anjely Gabriely, sy nitokiany fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk …
- 149 Maria – “Sambatra ilay nino” Nandritra ny androm-piainany manontolo, ka hatramin’ny fisedrana azy farany [151] , fony maty teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa Zanany, tsy nivembena ny finoany. Tsy nitsahatra nino ny “fahatanterahan’ny” Tenin’Andriamanitra taminy i Maria. …
- 150 Mino an’Andriamanitra tokana Ny finoana aloha dia firaiketan’ny olona tsirairay amin’ Andriamanitra ; sady miaraka no tsy azo sarahina amin’ny fankatoavana an-kalalahana ny marina rehetra izay nambaran’Andriamanitra izany. Noho ny maha-firaiketan’ny olona tsirairay amin’Andriamanitra sy …
- 151 Mino an’i Jesoa-Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra Ho an’ny kristianina, ny mino an’Andriamanitra dia tsy azo sarahina amin’ ny mino an’Ilay izay nirahiny, dia “ny Zanany malalany” izay ankasitrahany indrindra [153] ; nilazan’Andriamanitra isika hihaino Azy [154] . Ny …
- 152 Mino ny Fanahy Masina Tsy afaka mino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa ? Satria “tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no …
- 153 Fahasoavana ny finoana Rahefa niaiky i Md Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, dia nambaran’i Jesoa azy fa izany fanambaràna izany dia tsy tonga tao aminy “avy amin’ny nofo aman-dra, fa avy amin’ny …
- 154 Asan’olombelona ny finoana Tsy mety ho tanteraka ny hoe mino raha tsy amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny vonjy anaty avy amin’ny Fanahy Masina. Izany anefa tsy mandiso velively ny hoe ny mino dia tena asan’olombelona …
- 155 Asan’olombelona ny finoana Amin’ny finoana, ny saina amam-pahalalana sy ny sitrapon’olombelona dia miara-miasa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra : “Ny mino dia asan’ny saina mifikitra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, eo ambany fibaikoan’ ny sitrapo hetsehin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana” [159] .
- 156 Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina Ny antony inoana dia tsy hoe noho ny marina nambara, izay hita fa marina sy mora azo an-tsaina eo ambany fahazavan’ny saintsika voa-Janahary. Fa mino isika “noho ny hery mampino avy amin’Andriamanitra …
- 157 Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina Azo antoka ny finoana, azo antoka kokoa noho izay rehetra mety ho fahalalan’olombelona, satria miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra rahateo ihany, izay tsy mahavita mandainga. Marina, fa mety ho maizina amin’ny saina sy amin’ny …
- 158 Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina “ Miezaka hahazo an-tsaina, ny finoana” [167] : Tsy afa-misaraka amin’ny finoana ny fanirian’ny mpino hahalala tsaratsara kokoa an’Ilay izay nametrahany ny finoany, sy hahazo an-tsaina tsaratsara kokoa an’Ilay izay nambarany ; …
- 159 Ny finoana sy ny fahatakaran’ny saina Finoana sy siansa. “Na dia ambonin’ny saina aza ny finoana, tsy mety hisy na oviana na oviana ny tena tsy fifanarahana tokoa eo amin’izy ireo. Satria ilay Andriamanitra izay manambara ny mistery …
- 160 Ny fahafahana amin’ny finoana Mba ho araka ny maha-olombelona, “tokony ho an-tsitrapo ny valim-pinoana omeny an’Andriamanitra ; noho izany, tsy misy azo terena hanaraka ny finoana tsy sitrany. Satria, ny asam-pinoana dia manana izay toetra tsy …
- 161 Ny ilana ny finoana Ny mino an’i Jesoa-Kristy sy an’Ilay izay naniraka Azy ho famonjena antsika, dia ilaina mba hahazoana io famonjena io [175] . “Satria “raha tsy misy ny finoana (…), dia tsy misy ahazoana …
- 162 Ny fitozoana amin’ny finoana Fanomezana maimaim-poana nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny finoana. Afaka manary io fanomezana sarobidy io isika ; nampitandrina an’i Timôte ny amin’izany i Md Paoly hoe : “Miadia amin’ny ady tsara, hananana finoana …
- 163 Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay Ny finoana no mahatonga antsika manandrana dieny mialoha ny hafaliana sy ny hazavan’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra, tanjon’ny diantsika ety an-tany. Rahatrizay, hahita an’Andriamanitra “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), “araka ny …
- 164 Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay Ankehitriny anefa, “mizotra ao amin’ny finoana isika, fa tsy amin’ny fahitana” (2 Kôr 5,7), ary “toy ny ao amin’ny fitaratra, ka tsy hita mazava, (…), tsy lavorary” (1 Kôr 13,12) no ahalalantsika …
- 165 Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay Amin’izany isika no tsy maintsy mitodika mankamin’ireo vavolombelon’ny finoana : I Abrahama, izay nino “ary nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenana aza” (Rôm 4,18) ; i Maria Virjiny, “nandroso tamin’ny lalan’ny …
- 166 Mino isika Asan’ny tsirairay ny finoana : valin-teny an-kalalahan’ny olombelona avy amin’ny fanombohan’Andriamanitra manambara ny Tenany. Kanefa tsy asa mandeha singany ny finoana. Tsy misy afaka mino irery, tahaka ny tsy hahafahana miaina irery. …
- 167 Mino isika “Izaho mino” [184] : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny mpino tsirairay, indrindra amin’ny fotoana andraisana ny Batemy. “Mino izahay” [185] : izany no finoan’ny Fiangonana ambaran’ny Eveka tafavory amin’ny Kônsily, na matetika …
- 168 I. “Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao” Ny Fiangonana aloha no mino, ary amin’izany no itondrany sy amelomany ary anohanany ny finoako. Ny Fiangonana aloha, hatraiza hatraiza, no manambara ny Tompo (“Ianao, amin’ny alalan’izao tontolo rehetra izao, no ambaran’ny …
- 169 I. “Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao” Avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena ; kanefa noho isika mandray ny fiainam-pinoana amin’ny alalan’ny Fiangonana, dia izy izany no renintsika : “Mino ny Fiangonana ho Reny miteraka antsika amin’ny fahateraham-baovao isika, …
- 170 II. Ny fiteny ilazana ny finoana Tsy amin’ny rijan-teny no inoantsika, fa amin’ny zavatra tena izy izay ambarany, ary ny finoana no ahafahantsika “mahatsapa” izany. “Tsy mijanona fotsiny amin’ny filazana, ny asan’(ny finoan’)ny mpino, fa mipaka hatrany amin’ny …
- 171 II. Ny fiteny ilazana ny finoana Ny Fiangonana, izay “andry sy tohan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia mitahiry araka ny tena izy ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina [189] . Izy no mitahiry ny fahatsiarovana ny …