Ny finoana – fanombohan’ny fiainana mandrakizay

Laharana 163 amin’ny Katesizy

Ny finoana no mahatonga antsika manandrana dieny mialoha ny hafaliana sy ny hazavan’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra, tanjon’ny diantsika ety an-tany. Rahatrizay, hahita an’Andriamanitra  “mifanatrika” isika (1 Kôr 13,12), “araka ny tena toetrany” (1 Jo 3,2). Efa fanombohan’ny fiainana mandrakizay sahady izany ny finoana :

Raha mbola amin’izao fiainana izao, dia mibanjina ny soa avy amin’ny finoana isika, toy ny taratra ao amin’ny fitaratra, tahaka ny hoe efa manana sahady ny zava-mahatalanjona, izay ny finoantsika no miantoka antsika fa ho finaritra amin’izany isika indray andro any[180].

Loharano ôfisialy ↗