Ny valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra
Laharana 143 amin’ny Katesizy
Amin’ny alalan’ny finoana ny olombelona no mampanaiky tanteraka ny sainy sy ny sitrapony amin’Andriamanitra. Amin’ny tenany manontolo no anehoan’ny olombelona ny fankasitrahany an’Andriamanitra Mpanambara[142]. “Fanekem-pinoana” no iantsoan’ny Soratra Masina izany valin-tenin’ny olombelona amin’Andriamanitra manambara izany [143].