I. “Jereo, ry Tompo, ny finoan’ny Fiangonanao”
Laharana 169 amin’ny Katesizy
Avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena ; kanefa noho isika mandray ny fiainam-pinoana amin’ny alalan’ny Fiangonana, dia izy izany no renintsika : “Mino ny Fiangonana ho Reny miteraka antsika amin’ny fahateraham-baovao isika, fa tsy amin’ny Fiangonana tahaka ny hoe izy no tompon’antoky ny famonjena antsika”[187]. Satria izy no renintsika, dia izy koa izany no mpanabe ny finoantsika.