Ny fitozoana amin’ny finoana

Laharana 162 amin’ny Katesizy

Fanomezana maimaim-poana nataon’Andriamanitra  ho an’ny olombelona ny finoana. Afaka manary io fanomezana sarobidy io isika ; nampitandrina an’i Timôte ny amin’izany i Md Paoly hoe : “Miadia amin’ny ady tsara, hananana finoana sy kônsiansy tsara ; niala tamin’izany ny sasany ka rendrika tamin’ny finoana” (1 Tim 1,18-19). Mba hivelona, hitombo, sy hitozo hatramin’ny farany amin’ny finoana, dia tsy maintsy velomintsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izany ; tsy maintsy mangataka amin’ ny Tompo isika, mba hampitombo an’izany[177] ; tsy maintsy “ny fitiavana no hery manetsika” io finoana io (Gal 5,6)[178], tsy maintsy ny fanantenana no mitondra azy[179], ary tsy maintsy miorim-paka ao amin’ny finoan’ny Fiangonana izy.

Loharano ôfisialy ↗