Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Laharana 1377 amin’ny Katesizy
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny Eokaristia dia manomboka amin’ny fotoanan’ny fankamasinana, ary maharitra ela izany raha mbola maharitra koa ny fisia-maha-izy ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. I Kristy dia amin’ny fisia-maha-izy manontolo ny tsirairay amin’ny mofo sy ny divay, sy amin’ny fisia-maha-izy manontolo ny tsirairay amin’ny sombiny avy, hany ka tsy manasaraka an’i Kristy ny famakiana ny mofo[66].