Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany

Laharana 1364 amin’ny Katesizy

Mahazo hevitra vaovao ny tsangambato fahatsiarovana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Rahefa mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mampahatsiaro ny Pakan’i Kristy, ary mahatonga azy ity ho eo : ny sorona izay natolotr’i Kristy indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana dia mijanona lalandava ho ankehitriny[45] : “Isaky ny ankalazaina eo ambony ôtely ny soron’ny Hazofijaliana izay tamin’izany no nanaovana sorona an’i Kristy Pakantsika, dia tanterahina ny tsanganasam-panavotana antsika”[46].

Loharano ôfisialy ↗