Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina

Laharana 1381 amin’ny Katesizy

“Ny fisian’ny Vatana marin’i Kristy sy ny Ra marin’i Kristy amin’ity sakramenta ity, dia "tsy amin’ny fandrenesana velively no ahafatarana izany, hoy i Md Thomas, fa amin’ny alalan’ny finoana irery, izay miankina amin’ny fahefan’Andriamanitra". Noho izany, amin’ny fanazavana ny lahatsoratr’i Md Lioka 22,19 hoe : "Ity no vatako izay hatolotra ho anareo", dia manambara i Md Cyrille hoe : "Aza manontany tena raha marina izany, fa aleo mandray amim-pinoana ireo tenin’ny Tompo ireo, satria Izy, ilay Fahamarinana, tsy mba mandainga"[70]” :

Mitsaoka Anao fatratra aho, ry Andriamanitra miafina,
misy eo marina tokoa amin’ireo endri-javatra ireo ;
Aminao no itokian’ny foko manontolo
satria amin’ny fibanjinana Anao, reraka manontolo izy.

Ny fahitana, ny fandrenesan-tsiro,  ny fahatsapana, tsy mahatratra Anao :
amin’izay teny heno ihany no tsy maintsy hitokiana ;
mino izay rehetra nolazain’ny Zanak’Andriamanitra aho ;
tsy misy marina tokoa na iray aza noho io tenin’ny Fahamarinana io.

Loharano ôfisialy ↗