Andriamanitra
Laharana 34
- 198 Izaho mino an’Andriamanitra Ray Ny fiekem-pinoantsika dia manomboka amin’ Andriamanitra , satria Andriamanitra no “ilay Voalohany sy ilay Farany” (Iz 44,6), ilay Fiandohana sy ilay Fiafaran’ny zavatra rehetra. Manomboka amin’Andriamanitra Ray , ny Izaho mino, satria …
- 199 Paragrafy 1. Izaho mino an’Andriamanitra “Izaho mino an’Andriamanitra” : io teny fanamafisana voalohany amin’ny fiekem-pinoana io no lehibe indrindra koa. Ny Semboly manontolo dia miteny momba an’Andriamanitra, ary raha miteny momba ny olombelona sy izao tontolo izao …
- 200 I. “Izaho mino an’Andriamanitra tokana” Ireo teny ireo no anombohana ny Sembolin’i Nicée-Constantinople. Ny fiekena ny maha-Tokana an’Andriamanitra, izay manana ny fakany amin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia tsy azo sarahina amin’ ny an’ny fisian’Andriamanitra …
- 201 I. “Izaho mino an’Andriamanitra tokana” Tamin’i Israely, ilay voafidiny, dia nanambara ny Tenany Andriamanitra fa Tokana Izy : “Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanitsika no Tompo Tokana. Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, …
- 202 I. “Izaho mino an’Andriamanitra tokana” Ny Tenan’i Jesoa dia manamafy fa Andriamanitra no “hany Tompo tokana” ary tokony hotiavin’ny olona “amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo, amin’ny sainy manontolo ary amin’ny heriny manontolo” [20] Izy. Notarihiny koa …
- 203 II. Manambara ny anarany Andriamanitra Tamin’i Israely vahoakany Andriamanitra no nanambara ny Tenany tamin’ny fampahafantarana azy ireo ny anarany. Ny anarana dia milaza ny foto-pisiana, ny maha-izy manokana ny olona ary ny dikan’ny fiainany. Manana ny anarany …
- 204 II. Manambara ny anarany Andriamanitra Nanambara ny Tenany miandalana sy tamin’ny anarana samihafa tamin’ny vahoakany Andriamanitra, kanefa ny fanambaràn’Andriamanitra ny anarany tamin’i Môizy fony Izy niseho taminy teo amin’ny kirihitra nirehitra, fiandohan’ny Eksaody sy ny fanekem-pihavanana teo …
- 205 Ilay Andriamanitra velona Nantsoin’Andriamanitra i Môizy avy eo afovoan’ny kirihitra nirehitra nefa tsy levona. Hoy Andriamanitra taminy : “Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba” (Eks 3,6). Andriamanitra dia Andriamanitr’ireo …
- 206 “Izaho no Ilay Misy” Andriamanitra, tamin’ny nanambaràny ny Anarany mifono mistery hoe YHWH, izay mety hanana hevitra hoe : “Izaho no Ilay Izy” na : “Izaho no Ilay Misy” na koa “Izaho no Izaho”, dia nilaza …
- 207 “Izaho no Ilay Misy” Tamin’ny nanambaràn’Andriamanitra ny Anarany no nanambaràny niaraka tamin’izay koa ny tsy fivadihany lalandava sy mandrakizay, sady marim-pototra ho an’ny lasa (“Izaho no Andriamanitry ny rainao”, Eks 3,6) no marim-pototra ho an’ny hoavy …
- 208 “Izaho no Ilay Misy” Manoloana ny fisehoam-pisiana manintona sy mifono misterin’ Andriamanitra no ahatsapan’ny olona ny maha kely sy bitika azy. Manoloana ny kirihitra nirehitra, nanala ny kapany i Môizy ary nanarona ny tarehiny [24] teo …
- 209 “Izaho no Ilay Misy” Tsy manonona ny Anaran’Andriamanitra mihitsy ny vahoaka Israely, ho fanajany ny fahamasinan’Andriamanitra. Ny anarana nambara, amin’ny famakiana ny Soratra Masina, dia nosoloina ny anaram-piantsoana an’Andriamanitra hoe “Tompo” ( Adonaï amin’ny teny hebrio, …
- 210 “Malemy fanahy sy mamindra fo, Andriamanitra” Nihaino ny fanelanelanan’i Môizy Andriamanitra, taorian’ny fahotan’i Israely izay niodina Taminy tamin’ny fitsaohana ny zanak’omby volamena [25] , ary nanaiky handeha eo afovoan’ilay vahoaka mpivadika : tamin’izany no nanehoany ny fitiavany [26] …
- 211 “Malemy fanahy sy mamindra fo, Andriamanitra” Ny Anaran’Andriamanitra hoe : “Izaho Ilay Misy” na “Izy Ilay Misy” dia manambara ny tsy fivadihan’Andriamanitra izay “mitahiry ny fahasoavany hatramin’ny taranaka faharivo” (Eks 34,7), na eo aza ny fivadihan’ny olombelona noho …
- 212 Andriamanitra irery no MISY Nandritra ny taonjato nifandimby, ny finoan’i Israely dia afaka namelatra sy nandalina ny harena voarakitra ao amin’ny fanambaràna ny Anaran’ Andriamanitra. Tokana Andriamanitra, tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy Izy [28] . Mihoatra …
- 213 Andriamanitra irery no MISY Ny fanambaràna ny Anarana tsy hay ambara hoe “Izaho no Ilay Misy” àry no mirakitra ny fahamarinana fa Andriamanitra irery ihany no MISY. Tamin’izany lafin-kevitra izany, ny dika tenin’ny Fitopololahy sy ny …
- 214 III. Andriamanitra, “Ilay Misy”, dia Fahamarinana sy Fitiavana Andriamanitra, “Ilay Misy”, dia nanambara ny Tenany tamin’i Israely fa Ilay “manankarena famindram-po sy fahamarinana” (Eks 34,6). Samy manambara amin’ny fomba mifintina ny haren’ny anaran’Andriamanitra ireo fomba fiteny anankiroa ireo. Ao amin’ny …
- 215 Fahamarinana Andriamanitra “Fahamarinana ny foto-piandohan’ny teninao ! Ho mandrakizay ny fahamarinan’ny hevitrao” (Sal 119,160). “Eny, ry Tompo Andriamanitra, Ianao no Andriamanitra, ny teninao no fahamarinana” (2 Sam 7,28) ; izany no mahatonga ny fampanantenan’Andriamanitra …
- 216 Fahamarinana Andriamanitra Ny fahamarinan’Andriamanitra no fahendreny izay mibaiko ny filaminana manontolo eo amin’ny zavaboary sy eo amin’ny fitondrana an’izao tontolo izao [31] . Andriamanitra izay hany nahary ny lanitra sy ny tany [32] , …
- 217 Fahamarinana Andriamanitra Marina koa Andriamanitra rahefa manambara ny Tenany Izy : “fitambaram-pampianarana ny marina” (Mal 2,6) ny fampianarana avy Aminy. Rahefa haniraka ny Zanany eo amin’izao tontolo izao Izy, dia ny “mba hijoro ho …
- 218 Fitiavana Andriamanitra Teny am-pamakivakiana ny tantarany no nahafahan’i Israely nahita fa tsy nisy afa-tsy antony anankiray no nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany taminy, sy nifidianany azy teo anivon’ny firenen-drehetra mba ho Azy : ny fitiavany maimaim-poana …
- 219 Fitiavana Andriamanitra Ny fitiavan’Andriamanitra an’i Israely dia oharina amin’ny fitiavan-dray ny zanany [38] . Mahery kokoa noho ny fitiavan-dreny ny zanany io fitiavana io [39] . Tia ny Vahoakany Andriamanitra, mihoatra noho ny itiavan’ny …
- 220 Fitiavana Andriamanitra “Mandrakizay” ny fitiavan’Andriamanitra (Iz 54,8) : “Satria mety hihataka ny tendrombohitra ary mety hihozongozona ny havoana, fa ny fitiavako Anao tsy mba hiala” (Iz 54,10). “Fitiavana mandrakizay no itiavako Anao ; izany …
- 221 Fitiavana Andriamanitra Mbola lasa lavidavitra kokoa aza i Md Joany tamin’izy nanamarina hoe : “Andriamanitra dia Fitiavana” (1 Jo 4,8.16) : ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no Fitiavana. Tamin’ny nanirahan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana sy …
- 222 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Ny mino an’Andriamanitra Tokana sy ny tia Azy amin’ny maha-Izy Azy manontolo, dia mitera-bokatra tsy hita noanoa ho an’ny fiainantsika manontolo :
- 223 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny mahalala ny halehiben’Andriamanitra sy ny fahamboniany : “Eny, lehibe tokoa Andriamanitra fa mihoatra ny fahalalantsika Izy” (Jôba 36,26). Izany indrindra no tsy maintsy “anompoana voalohany” [43] an’Andriamanitra.
- 224 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny miaina amin’ny fahaiza-misaotra sy mankasitraka : Amin’ny maha- Tokana an’Andriamanitra, dia avy Aminy avokoa izay rehetra maha-isika antsika sy izay rehetra ananantsika : “Inona no anananao ka tsy noraisinao ?” …
- 225 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny mahalala ny firaisan’ny olombelona rehetra sy ny fahamendrehany marina : natao “mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra” (Jen 1,26) izy rehetra.
- 226 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny mampiasa tsara ny zavaboary : ny finoana an’Andriamanitra Tokana no mitondra antsika hampiasa ny zava-drehetra ankoatra Azy, raha toa izany mampanatona antsika Azy, sy mitaona antsika tsy hiraiki-po amin’ izany, …
- 227 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny matoky an’Andriamanitra amin’ny fisehon-javatra rehetra, na dia amin’ny fahoriana sy ny loza aza. Maneho izany amin’ny fomba mampitolagaga ny vavak’i Mb Terezin’i Jesoa hoe : Aoka tsy hisy na inona …