Fahamarinana Andriamanitra
Laharana 217 amin’ny Katesizy
Marina koa Andriamanitra rahefa manambara ny Tenany Izy : “fitambaram-pampianarana ny marina” (Mal 2,6) ny fampianarana avy Aminy. Rahefa haniraka ny Zanany eo amin’izao tontolo izao Izy, dia ny “mba hijoro ho vavolombelon’ny Fahamarinana” (Jo 18,37) : “Fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ary Izy no nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba hahalalantsika an’ilay Marina” (1 Jo 5,20)[34].