I. “Izaho mino an’Andriamanitra tokana”

Laharana 200 amin’ny Katesizy

Ireo teny ireo no anombohana ny Sembolin’i Nicée-Constantinople. Ny fiekena ny maha-Tokana an’Andriamanitra, izay manana ny fakany amin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra  ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia tsy azo sarahina amin’ ny an’ny fisian’Andriamanitra sady fototra rahateo koa. Tokana Andriamanitra : tsy misy afa-tsy iray ihany Andriamanitra : “Ny finoana kristianina dia miaiky fa iray ihany Andriamanitra, amin’ny fomba aman-toetra, amin’ny fisia-maha-izy, ary amin’ny foto-pisiana”[18].

Loharano ôfisialy ↗