IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana
Laharana 227 amin’ny Katesizy
Dia ny matoky an’Andriamanitra amin’ny fisehon-javatra rehetra, na dia amin’ny fahoriana sy ny loza aza. Maneho izany amin’ny fomba mampitolagaga ny vavak’i Mb Terezin’i Jesoa hoe :
Aoka tsy hisy na inona na inona hampiahiahy sy hampitebiteby anao.
Aoka tsy hisy na inona na inona hampatahotra sy hampivadi-po anao.
Mihelina avokoa izao rehetra izao, fa tsy miova Andriamanitra
Ahazoana ny zavatra rehetra ny faharetana.
Izay manana an’Andriamanitra tsy ory na inona na inona.
Andriamanitra irery ihany dia ampy[46].
FAMINTINANA