IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana
Laharana 226 amin’ny Katesizy
Dia ny mampiasa tsara ny zavaboary : ny finoana an’Andriamanitra Tokana no mitondra antsika hampiasa ny zava-drehetra ankoatra Azy, raha toa izany mampanatona antsika Azy, sy mitaona antsika tsy hiraiki-po amin’ izany, raha toa izany mampanalavitra antsika Azy[44] :
Ry Tompoko sy Andriamanitro, esory amiko izay rehetra mampanalavitra ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, omeo ahy izay rehetra mampanatona ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, vahao amin’ny fatotra mamatotra ny tenako aho, mba hanolorako ny tenako manontolo Aminao[45].