Fitiavana Andriamanitra
Laharana 219 amin’ny Katesizy
Ny fitiavan’Andriamanitra an’i Israely dia oharina amin’ny fitiavan-dray ny zanany[38]. Mahery kokoa noho ny fitiavan-dreny ny zanany io fitiavana io[39]. Tia ny Vahoakany Andriamanitra, mihoatra noho ny itiavan’ny lehilahy ny malalany[40] ; handresy na dia hatramin’ny fivadihana faran’izay ratsy indrindra aza io fitiavana io[41] ; ho tonga hatrany amin’ny fanomezana sarobidy indrindra izany : “Tia an’izao tontolo izao Andriamanitra, ka nomeny ny Zanany tokana” (Jo 3,16).