Inona no anton’ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana ?

Laharana 878 amin’ny Katesizy

Farany, misy manana endrika an’ny tsirairay, ny toetra maha-sakramenta ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana. Raha miasa amin’ny fiombonana ny mpandraharahan’i Kristy, dia miasa lalandava koa amin’ny tsirairay. Ny isam-batan’olona dia voantso tsirairay hoe : “Ianao, manaraha Ahy” (Jo 21, 22)[393], mba ho vavolombelona tsirairay, eo amin’ny asa fanirahana iombonana, amin’ny fiantsorohan’ny isam-batan’olona ny andraikitra eo anoloan’Ilay izay manome ny fanirahana, sy amin’ny fiasany “ao amin’ny tenany” sy ho an’ny olona : “Izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray …”; “Izaho mamela ny fahotanao …”

Loharano ôfisialy ↗