Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2461 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny fampivoarana tena izy, dia izay mahakasika ny olona manontolo. Atao izay hampitombo ny herim-pahazoan’ny isam-batan’olona mamaly ny fiantsoana azy, dia ny antson’Andriamanitra izany [66] .
  2. 2462 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ny asa fiantrana atao amin’ny mahantra dia vavolombelon’ny fifankatiavana toy ny mpiray tam-po : fampiharana ny fahamarinana izay ankasitrahan’Andriamanitra rahateo izany.
  3. 2463 VI. Ny fitiavana ny mahantra Ao amin’ireo olona tsy tambo isaina tsy manan-kanin-kohanina, tsy manan-kialofana, tsy manam-ponenana, ahoana no tsy ahatsiahivana an’i Lazara, ilay mpangataka mitofezaky ny hanoanana voalazan’ny fanoharana [67] ? Ahoana no tsy ahenoina an’i …
  4. 2464 Ny didy fahavalo Raràn’ny didy fahavalo ny manova ho diso ny marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Io didy ara-môraly io no mahatonga ny fiantsoana ny vahoaka masina ho vavolombelon’ilay Andriamaniny izay marina sy tia …
  5. 2465 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Manamarina izany ny Testamenta Taloha : Loharanon’ny fahamarinana rehetra Andriamanitra . Fahamarinana ny Teniny [68] . Fahamarinana ny Lalànany [69] . “Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany” (Sal 119,90) [70] . …
  6. 2466 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Ao amin’i Jesoa-Kristy no miseho manontolo ny fahamarinan’ Andriamanitra. Noho i Jesoa-Kristy “feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14), dia Izy no “fahazavan’izao tontolo izao” (Jo 8,12), Izy no Fahamarinana [72] . Na …
  7. 2467 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Toetra voa-Janahary no mahatonga ny olombelona mandeha amin’ny fahamarinana. Adidiny ny manaja izany sy ny manaporofo izany : “Noho ny fahamendrehan’ny olombelona rehetra, amin’ny maha-olona azy ireo (…) dia teren’ny toetran’izy ireo …
  8. 2468 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Ny fahamarinana, amin’ny maha-fahitsian’ny asa amam-pihetsika sy ny tenin’olombelona azy, dia antsoina hoe firaiketana amin’ny marina , hitsin-toetra na hitsim-po. Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa …
  9. 2469 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana “Tsy ho afa-miaina miaraka ny olombelona, raha tsy misy ny fifampitokiana , izany hoe raha tsy mifampilaza ny marina izy ireo” [78] . Ny herim-panahy fahamarinana no mamerina ara-drariny amin’ny hafa izay …
  10. 2470 I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana Manaiky “hivelona amin’ny fahamarinana” ny mpianatr’i Kristy, izany hoe amin’ny fahatsoram-piainana mifanaraka amin’ny ohatra nomen’ny Tompo sy mitoetra ao anatin’ny fahamarinany. “Raha milaza fa manana fiombonana Aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, …
  11. 2471 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Teo anatrehan’i Pilaty, dia nilaza ampahibemaso i Kristy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hijoro ho vavolombelona hanambara ny marina [80] . “Tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo” …
  12. 2472 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Ny adidin’ireo kristianina mandray anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana no manosika azy ireo hiasa ho vavolombelon’ny Evanjely sy ny adidy izay takìn’izany. Izany fijoroana ho vavolombelona izany no fampitana ny finoana amin’ny teny …
  13. 2473 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana ; izany dia ilazana ny fijoroana ho vavolombelona izay tonga hatrany amin’ny fahafatesana. Ny olona atao martiry no maneho ny …
  14. 2474 II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana” Amim-pitandremana fatratra tokoa no nanangonan’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’ireo izay nandeha hatramin’ny farany mba hanamarinana ny finoan’izy ireo. Ireny no asan’ny Martiry. Ireny no tahirin-tsoratry ny Fahamarinana voasoratra amin’ny ra : Tsy …
  15. 2475 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny mpianatr’i Kristy dia “nitafy ny olom-baovao izay noarìna araka an’ Andriamanitra amin’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamasinana izay avy amin’ny marina” (Efez 4,24). “Ario ny lainga” (Efez 4,25), dia …
  16. 2476 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Fiampangana lainga sy fianianan-tsy to . Rahefa naely ampahibemaso ny teny manohitra ny fahamarinana, dia mifono halehibeazana mangingina. Eo anatrehan’ny tribonaly, dia manjary fiampangana lainga izany [86] . Rahefa natao tamim-pianianana izany, …
  17. 2477 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Ny fanajana ny lazan ’ny olona dia mandrara ny fihetsika rehetra sy ny teny rehetra mahatonga fahavoazana tsy ara-drariny ho azy ireo [88] . Araka izany : - mahameloka ny olona ny …
  18. 2478 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Mba hisorohana ny fitsaratsarana foana, tsy misy porofo, aoka ny tsirairay hitandrina, araka izay azo atao, mba hitsikera amin’ny lafiny tsara, ny eritreritry namany sy ny teniny ary ny asany : Ny …
  19. 2479 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Manimba ny laza amam-boninahitry ny namana ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehana. Ny voninahitra anefa no fanaporofoana eo amin’ny fiaraha-monina, ny fahamendrehan’ny olombelona, ary ny tsirairay dia manana zo voa-Janahary itandrovana ny voninahitry …
  20. 2480 III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana Raràna ny teny na ny fihetsika rehetra atao amin’ny alalan’ny fandokafana , fanindrahindrana na famalifaliana ny namana, mba hamporisihana sy hanamarinana ny faharatsian’ny asany sy ny havetavetam-pitondran-tenany. Fahadisoana lehibe ny fanindrahindrana raha …