Ny didy fahavalo

Laharana 2464 amin’ny Katesizy

Raràn’ny didy fahavalo ny manova ho diso ny marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Io didy ara-môraly io no mahatonga ny fiantsoana ny vahoaka masina ho vavolombelon’ilay Andriamaniny izay marina sy tia ny fahamarinana. Ny fahotana manohitra ny marina dia mampiseho, amin’ny alalan’ny teny na ny atao, ny fandavana hiandany amin’ny fahitsiana ara-môraly : fivadihan-toky lehibe indrindra  amin’ Andriamanitra izany, ary, amin’io hevitra io, mandrava ny fototry ny fanekem-pihavanana.

Loharano ôfisialy ↗