II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana”

Laharana 2471 amin’ny Katesizy

Teo anatrehan’i Pilaty, dia nilaza ampahibemaso i Kristy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hijoro ho vavolombelona hanambara ny marina[80]. “Tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo” ny kristianina (2 Tim 1,8). Ao anatin’ny toe-javatra izay mitaky ny fanamarinam-pinoana, ny kristianina dia tokony hanambara izany tsy amim-pisalasalana, tahaka ny nataon’i Md Paoly teo anatrehan’ny mpitsara azy. Tsy maintsy nikely aina izy mba “tsy homelohin’ny kônsiansy eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24,16).

Loharano ôfisialy ↗