III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana
Laharana 2477 amin’ny Katesizy
Ny fanajana ny lazan’ny olona dia mandrara ny fihetsika rehetra sy ny teny rehetra mahatonga fahavoazana tsy ara-drariny ho azy ireo[88]. Araka izany :
- mahameloka ny olona ny fitsaratsarana foana, na dia amin’ny fomba miafina aza, amin’ny fanekena ny kilemam-pitondran-tenan’ny namana ho marina, nefa tsy misy porofo ;
- mahameloka ny olona ny fanaratsiana, amin’ny famoahana ny kileman’ ny hafa na ny fahadisoany, amin’ny olona maro tsy mahalala izany, nefa tsy misy antony marim-pototra[89] ;
- mahameloka ny olona ny fanendrikendrehana amin’ny alalan’ny teny manohitra ny marina, izay entina hanimbàna ny lazan’ny hafa ka mahatonga azy ho ratsy eo imason’ny olona.