I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana

Laharana 2469 amin’ny Katesizy

“Tsy ho afa-miaina miaraka ny olombelona, raha tsy misy ny fifampitokiana, izany hoe raha tsy mifampilaza ny marina izy ireo”[78]. Ny herim-panahy fahamarinana no mamerina ara-drariny amin’ny hafa izay tokony hefaina aminy. Ny firaiketana amin’ny marina no manatanteraka ny fahaiza-mandanjalanja izay tokony hambara sy ny tsiambaratelo izay tokony ho tanana : mitaky fanajana ny rariny sy fahatanam-bava izany. Amin’ny rariny sy ny hitsiny, “ny olona dia tokony hanao amim-pahamarinana amin’ny hafa ny fanehoana ny marina”[79].

Loharano ôfisialy ↗