Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2371
Ny fiterahana amin’ny fanambadiana
“Ankoatra izany, aoka ho fantatry ny rehetra tsara fa ny ain’olombelona sy ny adidy hiteraka dia tsy voafetran’ny sehatra eto amin’ity tontolo ity ; satria raha eo amin’io sehatra io fotsiny ireo, …
→
-
2372
Ny fiterahana amin’ny fanambadiana
Ny Fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fiadanana amam-pahafinaretan’ny olom-pirenena. Noho izany, rariny sy hitsiny ny hirotsahany mba hanoritra ny lalan-kaleha momba ny fitomboan’ny mponina. Azony atao izany amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao tsy mitanila sy …
→
-
2373
Ny fanomezana zanaka
Ny Soratra Masina sy ny fomba fanao nampitain’ny lovam-panahin’ny Fiangonana dia mahita ao amin’ireo fianakaviana maro anaka , ny famantarana ny tsodranon’Andriamanitra sy ny fahalalaham-pon’ny ray aman-dreny [43] .
→
-
2374
Ny fanomezana zanaka
Mafy tokoa ny fahorian’ireo mpivady izay mahalala fa tsy miteraka. “Inona no azonao omena ahy ?”, hoy i Abrama tamin’Andriamanitra. “Handeha aho nefa tsy manana zanaka akory ...” (Jen 15,2). “Ataovy amiko …
→
-
2375
Ny fanomezana zanaka
Amporisihina ireo fikarohana izay mikendry hampihena ny fahamombàn’ ny olona, raha toa ireny ka apetraka “ho fanampiana ny olombelona, ny zony tsy azo foanana, ny soany tena izy sy manontolo, mifanaraka amin’ny …
→
-
2376
Ny fanomezana zanaka
Fahavetavetana mahatsiravina ireo teknika izay mahatonga fampisarahana ny rohim-pihavanana eo amin’ny mpivady, amin’ny fitsabahan’ny olon-kafa ny amin’ny fiterahany (fanomezana atodinaina lahy na atodinaina vavy, findramana tranon-jaza). Ireny teknika ireny (fampananahana sy fampandonahana …
→
-
2377
Ny fanomezana zanaka
Raha ampiharina eo amin’ny mpivady ireny teknika ireny (fampananahana sy fandonahana artifisaly avy amin’ny atodinain’izy mivady), dia mety manimba kely ihany, nefa mijanona ho tsy azo ekena ara-môraly ireny. Mampisaraka ny asam-piraisan’ny …
→
-
2378
Ny fanomezana zanaka
Tsy zo takìna ny zanaka fa fanomezana . Ny “fanomezana tsara indrindra amin’ny fanambadiana” dia ny olombelona. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin’izany no hitarika fanamarinam-pihamboana …
→
-
2379
Ny fanomezana zanaka
Asehon’ny Evanjely fa tsy aretina tsy misy fanafana tanteraka ny fahamombàna ara-batana. Ny mpivady izay mijaly amin’ny tsy fiterahana, rahefa afa-nenina nitady vonjy ara-drariny tamin’ny fitsaboana, dia tokony hiombona amin’ny Hazofijalian’ny Tompo, …
→
-
2380
IV. Ny fahotana amin’ny hasin’ny fanambadiana
Ny fanitsakitsaham-bady . Enti-milaza ny famitahana eo amin’ny fanambadiana io teny io. Rahefa olon-droa miaraka, na ny anankiray ihany aza no manam-bady, ka manao firaisana ara-nofo izy ireo, na indray mandeha ihany …
→
-
2381
IV. Ny fahotana amin’ny hasin’ny fanambadiana
Tsy fahamarinana ny fanitsakitsaham-bady. Mivadika amin’ny fanekeny ilay izay manao izany. Ny fanitsakitsaham-bady dia manohitra ny famantaram-pifanekena izay tsy inona fa ny fifamatoram-panambadiana, manimba ny zon’ny ankilany ary mitera-pahavoazana amin’ny fiorenan’ny fanambadiana, …
→
-
2382
Ny fisaraham-panambadiana
Nantitranterin’i Jesoa Tompo ny sitrapon’ny Mpahary hatrany am-piandohana izay nanao ny fanambadiana ho tsy azo ravana [52] . Nofoanany ny famelana hanao izany izay nisisika tao amin’ny Lalàna taloha [53] . Eo …
→
-
2383
Ny fisaraham-panambadiana
Ny fisarahan-toeran’ny mpivady mbola ampiraisin’ny fifamatoram-panambadiana dia mety ho ara-drariny, amin’ny anton-javatra sasantsasany tondroin’ny Lalànan’ny Fiangonana [55] . Raha ny fisaraham-panambadiana ara-panjakana no hany sisa azo atao iantohana ny zo sasantsasany ara-drariny, …
→
-
2384
Ny fisaraham-panambadiana
Fahotana lehibe amin’ny lalàna voa-Janahary ny fisaraham-panambadiana . Satria, mihambo handrava ny fifanekena tamin-kalalahana nankatoavin’ny mpivady hiara-miaina mandra-pahafaty izany. Mahatonga faniratsirana ny fanekem-pamonjena ny fisaraham-panambadiana, izay ny fanambadiana ara-tsakramenta no famantarana an’io …
→
-
2385
Ny fisaraham-panambadiana
Ny fisaraham-panambadiana dia manana toetra ratsy ara-môraly mampikorontana ny tokantranon’ny mpianakavy sy ny fiaraha-monina. Miteraka fahavoazana lehibe izany korontana izany : ho an’ny vady, izay mahatsiaro tena fa nariana ; ho an’ny …
→
-
2386
Ny fisaraham-panambadiana
Mety hianjadiam-pahoriana, kanefa tsy manan-tsiny, ny iray amin’ny mpivady, noho ny fisaraham-panambadiana neken’ny lalàm-panjakana ; tsy mandika ny didy ara-môraly io vady io amin’izany. Satria, misy tsy fitoviana lehibe eo amin’ny vady …
→
-
2387
Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana
Azo an-tsaina ny loza aman’antambo manjo an’ilay izay maniry ny hibebaka araka ny Evanjely, ka voatery hisaotra ny vadiny iray na maromaro izay niarahany niaina nandritra ny taona maro. Satria, tsy mifanaraka …
→
-
2388
Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana
Ny fanambadiana olon-tsy heny . Izany dia enti-milaza ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy mpianakavy na havana, amin’ny ambaratongam-pihavanana izay mandrara tsy hivady eo amin’izy ireo samy izy ireo [59] . …
→
-
2389
Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana
Azo akambana ho anisan’ny fanambadiana olon-tsy heny ny fanararaotan’ ireo olon-dehibe manao firaisana amin’ny ankizy na tanora napetraka ho tezain’izy ireo. Mitombo avo roa heny ny fahadisoana amin’izany noho ny fiantraikany manafintohina …
→
-
2390
Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana
Ao anatin’ny tokantranoimaso ny mpivady, rahefa mandà tsy hanao ny fomba ara-dalàna sy ara-pomban-tany ny firaisam-pifankatiavana manokana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mamitaka ny fomba fiteny : ahoana moa no ahafahana …
→