Ny fiterahana amin’ny fanambadiana
Laharana 2371 amin’ny Katesizy
“Ankoatra izany, aoka ho fantatry ny rehetra tsara fa ny ain’olombelona sy ny adidy hiteraka dia tsy voafetran’ny sehatra eto amin’ity tontolo ity ; satria raha eo amin’io sehatra io fotsiny ireo, dia tsy ahita na ny fivelarany manontolo, na ny dikany feno, fa aoka ireo ho ampifandraisana lalandava amin’ny anjara mandrakizay ho an’ny olombelona”[41].