Ny fanomezana zanaka

Laharana 2378 amin’ny Katesizy

Tsy zo takìna ny zanaka fa  fanomezana. Ny “fanomezana tsara indrindra amin’ny fanambadiana” dia ny olombelona. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin’izany no hitarika fanamarinam-pihamboana fa “zo ny hanan-janaka”. Amin’io  lafiny io,  ny zanaka no hany tena manan-jo marina, dia ny “ho vokatra manokana avy amin’ny fifankatiavan’ny mpivady ray aman-dreniny, ary koa ny zo hohajaina amin’ny maha-olona, manomboka amin’ny fotoana fiforonany ao am-bohoka”[48].

Loharano ôfisialy ↗